2 John

1Avy amin’ny loholona ka hatrany amin’ny vehivavy voafidy sy ireo zanany, izay tiako amin’ny fahamarinana - ary tsy izaho ihany, fa ireo rehetra izay nahafantatra ny marina ihany koa - 2nohon’ny fahamarinana izay mitoetra ao anatintsika ary hiaraka amintsika mandrakizay. 3Ho amintsika anie ny fahasoavana, ny famindram-po, ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy avy amin’i Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy fitiavana.

4Faly indrindra aho satria nahita ny sasany amin’ireo zanakao mandeha amin’ny fahamarinana, toy ny nandraisantsika izany didy izany avy tamin’ny Ray. 5Ary mangataka aminao aho, ravehivavy - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao aho, fa izay nananantsika hatramin’ny voalohany - dia ny tokony hifakatiavantsika samy isika. 6Izao no fitiavana, dia ny mba handehanantsika araka ireo didiny. Izao no didy, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia ny tokony handehananareo amin’izany.

7Fa maro ireo mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ary izy ireo dia tsy manaiky fa Jesosy Kristy dia tonga tamin’ny nofo. Izany no mpamitaka sy antikristy. 8Jereo ny tenanareo, mba tsy hahavery ireo zavatra izay efa vitantsika rehetra, fa mba handraisanareo valim-pitia feno.

9Na iza na iza mandeha eo aloha ary tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra. Ilay iray izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, izany iray izany dia manana ny Ray sy ny Zanaka. 10Raha misy olona tonga eo aminao ary tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mandray azy ho ao an-tranonao ary aza miarahaba azy. 11Fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.

12Manana zavatra maro ho soratana aminareo aho, nefa aho tsy maniry hanoratra izany amin’ny taratasy sy ranomainty. Na izany aza, manantena ny ho tonga any aminareo aho ary hiresaka mivantana, mba ho tanteraka ny fifalianareo. 13Manao veloma anao ireo zanaky ny rahavavinao voafidy.

Copyright information for PltULB